Kristianisma karismatika

Ny kristianisma karismatika na hetsika karismatika dia endriky ny kristianisma sy vondron' ny fifohazam-panahy nanandratra avo ny asan' ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina ary ny fahagagana araka izay hita indrindra ao amin' ireo Epistily nosoratan' i Paoly. Io fifohazam-panahy io dia niseho tamin' ny alalan' ny hetsika telo, dia ny pentekôtisma tamin' ny taona 1906 sy ny hetsika karismatika evanjelika tamin' ny taona 1960 ary ny hetsika karismatika vaovao tamin' ny taona 1980. Araka ny tarehimarika nomen' ny World Christian Encyclopedia dia miisa 78 tapitrisa ny Pentekôtista, ny Karismatika evanjelika miisa 192 tapitrisa ary ny Karismatika vaovao miisa 318 tapitrisa ka izany rehetra izany dia mitotaly 588 tapitrisa. Araka ny Pew Research Center tamin' ny taona 2011 dia miisa 584 tapitrisa ny Pentekôtista sy ny Karismatika ka ny 279 tapitrisa no Pentekôtista fa ny 305 tapitrisa kosa dia Karismatika.


Developed by StudentB